FIKAMBANAN’NY MPIASAN’NY INSTITUT NATIONAL DU TRAVAIL (FIMPINTra)

IZAY IRAY VATSY, IRAY AINA”

Izany no teny filamatra entin’ny Fikambanana entina miantshatra eo amin’ny sehatra ara-tsosialy.

Rafitra ijoroan’ny FIMPINtra

Fikambanana mijoro ara-dalàna, manaraka ny fototra apetraky ny fehezan-dalàna mihatra eto Madagasikara. Ny didim-pitondrana laharana faha- mifehy ny fikambanana no arahina.

Manana ny taratasy fanamarinana mikasika ny fanorenana fikambanana (Récepissé de déclaration de constitution d’Association) mitondra ny laharana faha-1864.PA.ANT/SPAT/ASS ny 30 Jona 2005.

Iza avy ireo mpikambana?

Mazava ny hevitra fonosin’ny anaran’ny Fikambanana. Ireo mpiasa rehetra mandrafitra ny Ivotoeram-pirenena momba ny Asa (INTra), izay tarihin’ny Filoha mpitantana, ary ny Tale mitantana ny Ivotoerana dia mipetraka ho Filoham-boninahitra.

Miisa telo amin’ny telopolo (33) izao ny mpiasa ao anatin’ny FIMPINTra. Mandrafitra ny ivotoerana ireo mpitsirik’asa na “Inspecteur du Travail”, ny mpanaramaso ny asa na “Contrôleur du Travail”, ireo mpahay manokana ary ireo mpandraharaha maro samihafa.

Fitantanana ny FIMPINTra

Manana birao mitantana azy ny FIMPINTra, ho fiantohana ny fampandehanan-draharaha, ny fikarakarana sy ny fitantanana ny Fikambanana.

Manana Fitsipika anaty izay mifehy azy ny Fikambanana.

Foto-kevitra iorenan’ny FIMPINTra

-Mampisy ny fiombonana eo amin’ny mpiasa

-Mampiodina ny atao hoe “Sosialin’ny mpiasa” amin’ny famitana ireo Adidy amin’ny maha-Malagasy, na an-kafaliana, na an-karatsiana.

-Mibanjina ny hevitra hoe: FIFAMPIZARANA. Miantoka ireo fanomezana ho an’ny mpiasa indrindra rehefa vanim-potoan’ny Krismasy, faran’ny taona, Asaramanitra.

Izany anefa dia ilàna ireo famatsiana avy amin’ny sehatra maro lafy izay entina hiantsorohana ireo filàna maro ho an’ny mpiasa.

Fitsimbinana ireo mpiara-belona

Ankoatra ny fiseharany eo amin’ny samy mpiasa dia mitsinjo ireo mpiara-belona izay heverina sy hita ho mila fanampiana. Manampy ireo izay mila an’izany ny FIMPINTra

  • Sahirana ara-pivelomana

  • Zokiolona

  • Ankizy

Afaka mivelatra ho an’ireo sehatra maro lafy izay mila izany ihany koa ny Fikambanana satria izany no vaindohan-draharahany dia ny hanampy hatrany.

Asa ifotoran’ny FIMPINTra

Miantoka ireo hetsika ara-tsosialy sy ara-koltoraly eo anivon’ny Ivotoerana: fialam-boly, fitsangatsanganana, fiaraha-misinda, sns.

Manatanteraka ireo asa fifampitsinjovana eo amin’ny mpiara-miasa sy mpiara-belona

Miara-miasa amin’ireo orinasa maro amin’ny fanaovana dokambarotra ny fikambanana.

Hetsika vita nandritra ny taona 2023

  • 19 Jona 2023:Fanolorana fitaovam-pianarana ho an’ireo mpianatra kilasy Taona faha-5 (T5) teo anivon’ny EPP Flacourt Ambavahadimitafo izay niatrika ny fanadinam-panjakana CEPE.

  • 23 Jona 2023: Fizarana entana ilaina amin’ny andavanandro ho an’ireo zokiolona sy fianakaviana sokajiana ho tena sahirana izay miisa valopolo(80) teny amin’ny manodidina ny Fokontany Andafiavaratra. Amin’ny maha-ankatoky ny Asaramanitra moa dia niampy arendrina ny fanomezana.

  • Mpiantsoroka ny fikarakarana ny fifampiarahabana eo amin’ny samy mpiasa ary ny fanaovana ny fambolen-kazo ihany koa.

Tafiditra soa aman-tsara ao anatin’ny hetsika entina hanatrarana ireo tanjon’ny fampandrosoana lovain-jafy sy ny Fandraisandraikitra Ara-piarahamonina ( Responsabilité Sociétale de l’Entreprise et Développement Durable)

Esprit d’appartenance: Toe-tsaina maha-izy azy

Culture d’entreprise: Kolotsaina orinasa