You are currently viewing BAOBAB BANQUE MADAGASCAR : FAMPIOFANANA SOLONTENAN’NY MPIASA NY FAHA 11 SY 12 DESAMBRA 2025.

BAOBAB BANQUE MADAGASCAR : FAMPIOFANANA SOLONTENAN’NY MPIASA NY FAHA 11 SY 12 DESAMBRA 2025.

  • Auteur/autrice de la publication :
  • Post category:Actualités
  • Commentaires de la publication :0 commentaire

Mandroso ny fiaraha-miasa eo amin’ny INTra sy BAOBAB BANQUE izay mikendry ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny solontenan’ny mpiasa sy fanavaozana ny fahalalany mifanaraka amin’ny fehezan-dalàna mifehy ny asa vaovao.

Ho fanomezana fahalalana sy fahaiza-manao hahafahan’izy ireo manatanteraka amim-pahombiazana ny andraikiny sy mandray anjara amin’ny fifampidinihana sosialy eo anivon’ny orinasa, dia nifantoka tamin’ny lohahevitra maromaro mifanentana amin’izany ny fampiofanana.Tanjona lehibe ny hanamafisana ny andraikitry ny solontenan’ny mpiasa ho mpanelanelana mahomby sy mandala ny fitoniana ho an’ny tontolo iasàna milamina sy mirindra.

Antenaina ny fampiharana ireo fahalalana azon’ireo mpandray anjara nandritra ny fiofanana, ary indrindra hitondra vokatra tsara hampiroborobo ny dinika sosialy sy hampitombo ny fahombiazana eo anivon’ny BAOBAB BANQUE MADAGASCAR.

Laisser un commentaire