Tontosa soa aman-tsara ny 30 oktobra 2025, tao amin’ny Foiben’ny ONG Action Contre la Faim (ACF) ao Ampasanimalo, ny fampiofanana nokarakarain’ny INTra, natokana ho an’ny solontenan’ny mpiasa sy ny tompon’andraikitra misahana ny maha-olona.
Nifantoka tamin’ny zo sy adidy ananan’ny andaniny sy ny ankilany eo amin’ny sehatry ny asa ny fampiofanana. Nomena lanja manokana ny iraka sy andraikitra sahanin’ny solontenan’ny mpiasa. Tanjona lehibe ny hanamafisana ny fahalalana sy ny fahaiza-manaon’ny tsirairay amin’nyfifehezana ny andraikiny, ka ahafahana mampiroborobo ny fifampitokisana, ny fiaraha-miasa matotra, ary ny fitantanana ara-drariny eo anivon’ny toeram-piasàna. Nandray anjara mavitrika tamin’ny adihevitra sy fifanakalozan-kevitra ireo mpiofana, ka nahafahana nizara traikefa sy nanamafy ny fahafantarana momba ny lalàna mifehy ny asa.
Ity fampiofanana ity dia maneho ny fifampitokisana sy fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny INTra sy ACF, izay nisy hatry ny ela tamin’ny alalan’ireo karazana fampiofanana samy hafa ary fiarahana miombon’antoka tamin’ny fanavaozana ny fitsipika anaty sy ny fifanarahana iombonana ho an’ity fikambanana iraisam-pirenena ity.
Marihina koa fa maro ireo ONG hafa eto Madagasikara efa niara-niasa tamin’ny INTra, izay manaporofo ny fahamatorana sy maha-matihanina ity farany, toy ny ADES Madagascar, WWF, DFM, MSF, Bôndy International, … .